Page 25 - OCR Document
P. 25
FAHAMALINANA
Ny olon-kendry malina,
tsy tonga dia miady
fa manadihady
amin'ny saina lalina.
Tsy mba entim-po
na mora misendaotra
satria tsy izany loatra
no hahitana soa.
Miondrika mangina
miezaka mitony...
Eo no mampamony
ny fikasana irina.
Impito no araraka
ny hevitra ao an-tsaina,
ka rehefa tena maina
vao entina manaraka.
Vita ny fisainana,
izay vao sahy mitonona
fa manana hery vonona
hanatrika ny fiainana !

