Page 23 - OCR Document
P. 23
ROFIA
Rofia anie aho ka rofia,
Rofia ao anatin'ny ala :
Jerena ka maha te ho tia,
Atao sarin'ny olo-malala.
Rofia anie aho soa mijoro,
Mijaradona, babo tokoa.
Izany voako tsy mila hatoro
Fa haingo sy ravaka koa...
Alokaloka anie aho, alo-tsoa
Alokaloky ny alan-drofia,
Rotsirotsy homeko tokoa
Ireo trotraka resin'ny dia.

