Page 19 - OCR Document
P. 19
INY RAHONA INY
Iny Rahona iny ho'aho ry lahy,
Raha maraina mahafinaritra ahy,
Fotsy toy ny elatry ny Anjely,
Tsisy tsiny toy ny lisy kely.
Iny Rahona iny kosa anefa,
Nony hariva indry mirefarefa,
Toa manofa lamba hatreny ho eny,
Io no mba veloma izay omeny...
Iny Rahona iny ve mba mety
Hiaraka amin'ny Foko vetivety,
Ho ravaky ny mason'i Malala
Zay Lanitra hafa koa... mangalahala.