Page 17 - OCR Document
P. 17
NY FOKO
Na ho lany aza ny ala atsinanana
Ka ho ritra ny ranon'Ikopa.
Toa tsy hionona amin'izay eto an-tanana
Ny foko efa bokan'ny trosa.
Tompoina ny atsy ny aroa.
Kasaina ny mbola tsy tazana.
Kanefa toa zary ambiroa.
Tsy hitan'ny tena hihantsapazana
Mambabo azy ato daholo
izay bikana tsy manan-kilema
ka tsaroako toa efa bontolo
ilay fo tompon-dakan'ny tena.
Dia ho ritra ny ranon'Ikopa’.
Fa lany ny ala atsinanana...
Ny sampam-pitiavako kosa
mandady ankavia sy ankavanana.