Page 27 - OCR Document
P. 27

NY ZAVABOARY




                                   Ry Zavaboary, ry ilay tsara bika,

                                Ry tiana mamabo ny fo aman-tsaina :


                                   Raha toa sitrakao, hiaraka isika,

                                      Hihira, hitafa, dieny maraina!




                                  Fa mamiko loatra noho ny tantely,

                                 Sy tiako mihoatra an'ireo volamena

                                    Ny feonao kanto, alonin-anjely,

                                  Fa feo mampitsiky ny sorisorena...





                               Raha sendra ka tojo fotoam-pifaliana

                              - F'izany ary moa no fomban'ny tany -

                                Endre izany ianao manao fanamiana,

                                     Mirebika ery... mihira hatrany!
   22   23   24   25   26   27   28   29   30   31   32